Matthew 26

1Rehefa vitan’i Jesosy izany teny rehetra izany, dia niteny tamin’ireo mpianany Izy hoe: 2“Fantatrareo fa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra homboana amin’ny hazofijaliana ny Zanak’Olona.”

3Avy eo ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona niara-nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorona-be, izay nantsoina hoe Kaiafa. 4Niara-nanao tetika izy ireo mba hisamborana mangina an’i Jesosy ary hamono Azy. 5Fa hoy izy ireo hoe: “Tsy amin’ny fety, mba tsy hisian’ny korontana eo amin’ny olona.”

6Ary Jesosy rehefa tao Betania tao an-tranon’i Simona boka, 7raha nipetraka nihinana teo amin’ny latabatra, dia nisy vehivavy iray nanana tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nanatona Azy, dia nandraraka izany tamin’ny lohany. 8Fa rehefa hitan’ireo mpianany izany, dia tezitra izy ireo ka nanao hoe: “Inona no anton’izao fandaniana izao? 9Afaka namidy lafo ary nomena ireo mahantra io.”

10Fa Jesosy, nahafantatra izany, niteny azy ireo hoe: “Nahoana ianareo no manahiran-tsaina an-dravehivavy? Fa zavatra tsara no nataony tamiko. 11Eo aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Izaho dia tsy ho eo aminareo mandrakariva.

12Fa rehefa nandraraka izany menaka manitra izany tamin’ny vatako izy, dia nataony ho an’ny fandevenana Ahy izany. 13Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara eto amin’izao tontolo rehetra izao, izay nataon’ity vehivavy ity dia ho lazaina ihany koa ho fahatsiarovana azy.”

14Avy eo iray tamin’ireo roa ambinifolo, izay nantsoina hoe Jodasy Iskariota, nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona 15ary nanao hoe: “Omenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminareo?” Nandanja volafotsy madinika telopolo izy ireo ho azy. 16Tamin’izany fotoana izany dia nitady fahafahana izy mba hanolorana Azy amin’izy ireo.

17Tamin’ny andro voalohan’ny mofo tsy misy lalivay dia nanatona an’i Jesosy ireo mpianatra ka niteny hoe: “Aiza no tianao hanomananay ho anao hihinana ny sakafon’ny paska?” 18Namaly Izy hoe: “Midira ao an-tanàna misy lehilahy iray ary lazao izy hoe: ‘Hoy ny Mpampianatra hoe: “Efa akaiky ny fotoanako. Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska miaraka amin’ireo mpianatro.”‘‘’ 19Nataon’ireo mpianatra araka izay nandidin’i Jesosy izany, ary nanomana ny sakafon’ny paska izy ireo.

20Rehefa tonga ny hariva, dia nipetraka nihinana niaraka tamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo Izy. 21Rehefa nihinana izy ireo, dia hoy Izy hoe: “Lazaiko marina aminareo fa hisy iray aminareo hamadika Ahy.” 22Nalahelo izy ireo ary nanomboka nanontany Azy ny tsirairay hoe: “Tsy ho izaho mihitsy, ry Tompo?”

23Namaly Izy hoe: “Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao anaty lovia no ilay iray hamadika Ahy. 24Handeha ny Zanak’Olona, araka izay efa voasoratra momba Azy. Nefa lozan’ny olona izay hamadika ny Zanak’Olona! Tsara kokoa ho an’izany olona izany no tsy teraka akory.” 25Jodasy, izay hamadika Azy niteny hoe: “Izaho ve izany, Raby o?” Hoy Izy taminy hoe: “Voalazanao.”

26Raha mbola nihinana izy ireo, dia naka ny mofo Jesosy, nisaotra, ary nanapaka izany. Nomeny ireo mpianatra izany ary niteny hoe: “Raiso, hano. Ity no vatako.”

27Nandray ny kapoaka Izy ary nisaotra, ary nanome izany azy ireo ka niteny hoe: “Ianareo rehetra, sotroy ity. 28Fa ity ny ràn’ny fanekem-pihavanana arotsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. 29Fa lazaiko aminareo, fa tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pihavin’ny fisotroana vaovao hiarahako aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.”

30Rehefa nihira hira fiderana izy ireo, dia nandeha tany amin’ny tendrombohitr’i Oliva. 31Avy eo hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Ianareo rehetra dia handao Ahy nohon’ny amiko anio alina, fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry ondry Aho dia hiparitaka ny ondry.’ 32Fa aorian’ny fitsanganako amin’ny maty, dia hialoha lalana anareo any Galilia.”

33Fa Petera nanao taminy hoe: “Na dia handao nohon’ny aminao aza ny rehetra, izaho tsy mba handao mihintsy.” 34Hoy Jesosy taminy hoe: “Lazaiko marina aminao, fa anio alina raha mbola tsy maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.” 35Petera niteny taminy hoe: “Na dia tsy maintsy ho faty miaraka aminao aza aho, dia tsy handà anao.” Toy izany avokoa no nolazain’ireo mpianatra hafa.

36Ary Jesosy nandeha niaraka tamin’izy ireo nankany amin’ny toerana antsoina hoe Getsemane ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Mipetraha eto raha mbola handeha ery hivavaka Aho.” 37Nitondra an’i Petera mbamin’ny zanak’i Zebedio roa lahy Izy ary nanomboka nalahelo sy ory. 38Avy eo hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Fadiranovana ny fanahiko, toy ny efa ho faty. Mitoera eto ary mihambena miaraka amiko.”

39Nisintaka kely Izy, niankohoka ary nivavaka. Hoy Izy hoe: “Ry Raiko, raha azo atao, dia aoka esorina amiko ity kapoaka ity. Nefa, aoka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao.” 40Nanatona ireo mpianatra Izy ary nahita azy ireo resin-tory, ka hoy Izy tamin’i Petera hoe: “Inona, tsy mahavita miambina miaraka amiko na dia ora iray aza va ianareo? 41Miambena ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo. Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no malemy.”

42Mbola nandeha fanindroany Izy ary nivavaka. Hoy Izy hoe: “Ry Raiko, raha toa tsy azo esorina amiko ity raha tsy misotro Aho, dia ho atao anie ny sitraponao.” 43Niverina indray Izy ary mbola nahita azy ireo natory, fa navesatra ny mason’izy ireo. 44Ka nandao azy ireo indray Izy, lasa ary nivavaka fanintelony, nilaza ireo teny ireo ihany.

45Avy eo Jesosy nanatona ireo mpianatra ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Mbola matory sy miala sasatra va ianareo? Jereo, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ireo mpanota. 46Mitsangàna, andeha isika. Jereo, efa akaiky ilay hamadika Ahy.”

47Raha mbola niteny Izy, dia tonga Jodasy, iray amin’ireo roa ambin’ny folo. Nisy vahoaka maro tonga niaraka taminy avy amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ireo loholona. Tonga niaraka tamin’ny sabatra sy langilangy izy ireo. 48Ary nanome famantarana azy ireo ilay lehilahy hamadika an’i Jesosy, manao hoe: “Izay horohako, no Izy. Sambory Izy.”

49Teo no eo ihany dia nanatona an’i Jesosy izy ary niteny hoe: “Finaritra, Raby!” Ary nanoroka Azy izy. 50Hoy Jesosy taminy hoe: “Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto.” Avy eo tonga izy ireo, naninjitra tanana tamin’i Jesosy, ary nisambotra Azy.

51Indro, iray tamin’ireo niaraka tamin’i Jesosy naninjitra ny tanany, nanatsoaka ny sabany, nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe, ary nahafaka ny sofiny. 52Avy eo hoy Jesosy taminy hoe: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ireo izay mandray sabatra dia ho vonoina amin’ny sabatra. 53Mieritreritra va ianareo fa tsy afaka miantso ny Raiko Aho, ary Izy dia afaka mandefa ho Ahy tafik’anjely mihoatra noho ny roa ambin’ny folo? 54Fa atao ahoana izany no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hitranga izany?”

55Tamin’izany andro izany Jesosy niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Tonga miaraka amin’ny sabatra sy langilangy hisambotra Ahy tahaka ny jiolahy va ianareo? Isan’andro dia nipetraka nampianatra teo amin’ny tempoly Aho, fa tsy nosamborinareo. 56Fa izany rehetra izany dia nitranga mba hahatanteraka izay voasoratr’ireo mpaminany.” Avy eo nandao Azy ireo mpianatra rehetra ka nandositra.

57Noentin’ireo nisambotra Azy tany amin’i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, izay nivorian’ireo mpanora-dalàna sy loholona. 58Fa Petera nanaraka Azy avy eny alavitra nankany amin’ny kianjan’ny mpisoronabe. Niditra tao anatiny izy ary nipetraka niaraka tamin’ireo mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.

59Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo Synedriona rehetra dia nitady fiampangana tsy marina manohitra an’i Jesosy, mba mety ahafahan’izy ireo mamono Azy. 60Tsy nahita na inona na inona izy ireo, na dia nisy mpijoro vavolombelona maro tsy marina tonga aza teo. Ary kelikely avy eo dia nisy roa tonga nanatona teo 61ary niteny hoe: “Io lehilahy io dia niteny hoe: ‘Afaka mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho ary manangana izany indray afaka telo andro.’”

62Nitsangana ilay mpisoronabe ka nanao taminy hoe: “Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona izany hiampangan’izy ireo Anao izany?” 63Fa nangina Jesosy. Hoy ny mpisoronabe taminy hoe: “Mandidy Anao amin’ny alalan’Andriamanitra velona aho, lazao aminay raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” 64Jesosy namaly azy hoe: “Voalazanao. Fa lazaiko aminareo, manomboka izao dia ho hitanareo ny Zanak’Olona hipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Hery, ary ho tonga eo amin’ny rahon’ny lanitra.”

65Avy eo ny mpisoronabe nandrovitra ny ankanjony ary nilaza hoe: “Niteny ratsy Izy! Nahoana isika no mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, renareo ny fitenenan-dratsy izao. 66Inona no hevitrareo?” Namaly izy ireo ary nanao hoe: “Mendrika ny ho faty Izy.”

67Avy eo izy ireo nandrora ny tavany sy nikapoka Azy, ary namely tehamaina Azy, 68ary nanao hoe: “Maminania aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?”

69Ary Petera nipetraka ivelan’ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nanatona azy niteny hoe: “Ianao ihany koa dia niaraka tamin’i Jesosin’ny Galilia.” 70Fa nandà izany teo anoloan’izy ireo izy, manao hoe: “Tsy fantatro izay resahanareo.”

71Rehefa nivoaka ny vavahady izy, dia nisy mpanompo vavy hafa nahita azy ary niteny tamin’ireo izay teo hoe: “Ity lehilahy ity ihany koa dia niaraka tamin’i Jesosy avy any Nazareta.” 72Mbola nandà indray izy niaraka tamin’ny fianianana hoe: “Tsy fantatro izany lehilahy izany!”

73Nony afaka kelikely dia nanatona ireo izay nitsangana teo ary niteny tamin’i Petera hoe: “Ianao ihany koa dia tena iray amin’izy ireny, fa ny fomba firesakao dia miampanga anao.” 74Avy eo izy nanomboka nanozona sy niniana ka nanao hoe: “Tsy fanatatro izany lehilahy izany.” Ary teo no eo dia naneno ny akoho. Tsaroan’i Petera ny teny nambaran’i Jesosy hoe: “Mbola tsy maneno akoho dia handà Ahy intelo ianao.” Avy eo izy nivoaka ary nitomany fatratra.

75

Copyright information for PltULB